<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>C. Urhan</author>
<hymn_number>517</hymn_number>
<title>Ny alina ho lasa FFPM517</title>
<lyrics>[V1]
 Ny alina ho lasa,
 Na ela aza re,
 Hipoaka ny andro
 Mahafinaritra ;
 Ny zavona hisava
 An-tendrombohitra ao,
 Ny vavahady tsara
 Ho tsinjoko izao.

[V2]
 Mba sarotra tokoa
 Ny fiakarana e !
 Mamely mafy koa
 Ny rivo-doza be ;
 Fa he ny mpivahiny
 Izay efa trotraka
 Tantanan'ny Mpamonjy
 Tsy ho solafaka.

[V3]
 Ny famonjen'i Kristy,
 Ny fanavotany,
 No loharano soa
 Mangarangarana ;
 Nandramako sahady
 Ny rano velona,
 Ka dia nahazo hery
 Am-pandehanana.

[V4]
 Ny rano be hitànay,
 Ny fefy tsilo koa,
 Ny lalana mahàna
 Ho afaka avokoa ;
 Ka dera, Haleloia,
 No mendrika hatao
 Ambara-pahatonga
 Am-pitsaharana.</lyrics>
</song>